2 Samuel 6:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany. Maty teo anilan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh ka nasian’Andriamanitra teo no teo ihany noho ny fikoropany foana, dia maty teo anilan’ny Fiaran’Andriamanitra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nirehi-pahatezerana tamin’i Hozà ny TOMPO Andriamanitra ka namono nahafaty azy noho ny fihetsika tsy voahevitra nataony; dia teo akaikin’ny vatamasin’Andriamanitra teo izy no maty.
Malagasy Bible 1865
Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany. Maty teo anilan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izy.
malagasy
Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy.