2 Samuel 7:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tamin’ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Israely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin’ny fahavalonao rehetra Aho. Nolazain’NY TOMPO taminao koa fa hanao trano ho anao Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako. Nanome anao fialan-janona tamin’ny fahavalonao rehetra Aho; ary lazain’i Iaveh aminao fa hananganany trano ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia tamin’ny andro nanendreko mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary hampiadana anao ho afaka amin’ny fahavalonao rehetra Aho. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO mihitsy no hanome taranaka ho anao.
Malagasy Bible 1865
sy tahaka ny hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tamin’ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Israely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin’ny fahavalonao rehetra Aho. Nolazain’NY TOMPO taminao koa fa hanao trano ho anao Izy.
malagasy
sy tahaka ny hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.[Heb. nampiadana][Heb. hanao trano]