2 Samuel 7:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Israely olonao, izay nalehan’Andriamanitra mba havotana ho olony sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho azy sy zava-mahatahotra ho an’ny taninao teo anatrehan’ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin’ny firenen’i Ejipta sy ny andriamaniny?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aiza izay firenena eto ambonin’ny tany tahaka ny vahoakanao, tahaka an’i Israely, fa Andriamanitra no tonga hanavotra azy, mba ho vahoakany, hahalaza ny Anarany, hanao zava-dehibe ho Anao, ary hanao famantarana ho an’ny taninao, tamin’ny nandroahanao ireo firenena mbamin’ny andriamaniny teo anoloan’ny vahoakanao izay navotanao tamin’i Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa misy eto an-tany firenena tahaka an’i Israely vahoakanao? Dia ilay firenena navotanao ho afaka tamin’ireo Ejiptianina sy ireo andriamaniny mba ho tonga vahoakanao ka nomenao laza tamin’ny nanatanterahanao izao asa lehibe izao ho azy ary zava-mahatahotra ho an’ny taninao.
Malagasy Bible 1865
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an'ny taninao teo anatrehan'ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin'ny firenen'i Egypta sy ny andriamaniny?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Israely olonao, izay nalehan’Andriamanitra mba havotana ho olony sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho azy sy zava-mahatahotra ho an’ny taninao teo anatrehan’ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin’ny firenen’i Ejipta sy ny andriamaniny?
malagasy