2 Samuel 7:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Ianao, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, efa nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tenanao, ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no efa niseho tamin’ny mpanomponao ka nilaza hoe: Hanorenako trano ianareo. Ka izany no nahasahian’ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria Ianao, ry TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely, efa nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no nahasahiako hivavaka aminao izao.
Malagasy Bible 1865
Fa Hianao, Jehovah Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon'ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Ianao, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, efa nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.
malagasy
Fa Hianao, Jehovah Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon'ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.[Heb. hanao trano ho anao]