2 Samuel 8:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony afaka izany dia nandresy ny Filistina i Davida ka nampietry azy; ary nesorin’i Davida tamin’ny tanan’ny Filistina ny fitondrana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampietry azy ireo, sy nanesotra ny fitondrana ny renivohitr’izy ireo teo an-tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampilefitra azy; ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina ny fifehezan-drenivohitra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony afaka izany dia nandresy ny Filistina i Davida ka nampietry azy; ary nesorin’i Davida tamin’ny tanan’ny Filistina ny fitondrana.
malagasy
[Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina.