2 Samuel 8:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nirahin’i Toy hankany amin’i Davida mpanjaka i Jorama zanany mba hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera sy ny nandreseny azy; fahavalon’i Toy mantsy i Hadadezera. Nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina i Jorama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nirahin’i Taohò ho any amin’i Davida mpanjaka, i Jôrama zanany, hamangy sy hiarahaba azy, noho ny niadiany sy nandreseny an’i Hadadezera, fa niady lava tamin’i Hadadezera i Taohò. Kapoaka volamena sy kapoaka volafotsy ary kapoaka varahina no teo an-tanan’i Jôrama.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nirahin’i Tôhỳ ho any amin’i Davida mpanjaka i Jôrama zanany lahy mba hiarahaba sy hidera azy noho ny niadiany tamin’i Hadadehezera ka nandreseny azy; fa mpiady tamin’i Tôhỳ io Hadadehezera io. Nitondra fanaka volafotsy sy volamena ary halimo ho an’i Davida i Jôrama.
Malagasy Bible 1865
dia nirahin'i Toy Jorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon'i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nirahin’i Toy hankany amin’i Davida mpanjaka i Jorama zanany mba hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera sy ny nandreseny azy; fahavalon’i Toy mantsy i Hadadezera. Nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina i Jorama.
malagasy