2 Samuel 8:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandresy ny Moabita koa izy dia nampandriany tamin’ny tany ireo ary norefesiny tamin’ny kofehy, koa ny indroan’ny kofehy dia novonoiny ary ny iray kofehy kosa dia novelominy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandresy ny Moabita koa izy, ary nampandriny tamin’ny tany ireo, dia norefesiny tamin’ny kofehy, ka nandrefy indroan’ny kofehy izy, novonoiny ny eran’ny kofehy, novelominy ny eran’ny kofehy. Dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita, ka nanatitra hetra ho azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandresy ny Môabita koa izy ka nampandrîny tamin’ny tany ireo mba horefesina amin’ny tady; koa novonoiny ho faty ny androatokony ary navelany ho velona kosa ny ampahatelony. Noho izany dia tonga olom-pehezin’i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Môabita.
Malagasy Bible 1865
Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandresy ny Moabita koa izy dia nampandriany tamin’ny tany ireo ary norefesiny tamin’ny kofehy, koa ny indroan’ny kofehy dia novonoiny ary ny iray kofehy kosa dia novelominy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
malagasy