2 Samuel 8:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tonga hanampy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ny Arameana avy tany Damaskosy; dia nahafatesan’i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Arameana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga namonjy an’i Hadadezera mpanjakan’i Sobà koa ny Sirianina avy any Damasa, ka noresen’i Davida ny roa alina tamin’ny Sirianina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tonga ny Sirianina avy any Damasy mba hamonjy an’i Hadadehezera mpanjakan’i Tsôbà; kanefa nahafatesan’i Davida miaramila miisa antokony 22 koa ny Sirianina.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an'i Hadadezera, mpanjakan'i Zoba; dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tonga hanampy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ny Arameana avy tany Damaskosy; dia nahafatesan’i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Arameana.
malagasy
Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an'i Hadadezera, mpanjakan'i Zoba; dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.