2 Samuel 8:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nametrahan’i Davida miaramila koa tany amin’ny Arameana any Damaskosy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Arameana ka nandoa hetra. Fa NY TOMPO nampandresy an’i Davida tany amin’izay rehetra nalehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nametrahan’i Davida miaramila mponina i Sirian’i Damasa, ka tonga mpanompon’i Davida nanatitra hetra ny Sirianina. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nametrahan’i Davida governora tany Siria faritr’i Damasy, ka dia tonga olom-pehezin’i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Sirianina. Fa nampandresy an’i Davida tamin’izay fanafihany rehetra ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary nametrahan'i Davida miaramila tany Syria momba an'i Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nametrahan’i Davida miaramila koa tany amin’ny Arameana any Damaskosy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Arameana ka nandoa hetra. Fa NY TOMPO nampandresy an’i Davida tany amin’izay rehetra nalehany.
malagasy
Ary nametrahan'i Davida miaramila tany Syria momba an'i Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.