2 Samuel 9:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ianao sy ny zanakao lahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanina ho an’ny zanakalahin’ny tomponao; fa i Mefiboseta, zanakalahin’ny tomponao, dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva. Nanana zanakalahy dimy amby folo sy mpanompo roapolo i Ziba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ianao sy ny zanakao lahy mbamin’ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy, dia hanatitra ny vokatra hiveloman’ny zanaky ny tomponao, ary i Mifibôseta zanaka lahin’ny tomponao, dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva.» Nanan-janaka lahy 15, sy mpanompo 20, i Sibà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ianao sy ireo zanakalahinao ary ireo mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra izay hiveloman’ny fianakaviany. Fa i Mefibôseta zafikelin’ny tomponao kosa dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro. Nanana zanakalahy 15 sy mpanompo 20 i Tsibà,
Malagasy Bible 1865
Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ianao sy ny zanakao lahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanina ho an’ny zanakalahin’ny tomponao; fa i Mefiboseta, zanakalahin’ny tomponao, dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva. Nanana zanakalahy dimy amby folo sy mpanompo roapolo i Ziba.
malagasy