2 Samuel 9:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanan-janakalahy tanora i Mefiboseta, i Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’i Ziba dia nanompo an’i Mefiboseta avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanan-janaka lahy iray mbola tanora atao hoe i Mika, i Mifibôseta; ary mpanompony avokoa izay rehetra nitoetra tao an-tranon’i Sibà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanan-janakalahy tanora nantsoina hoe Mikà i Mefibôseta, ary ny olona rehetra tao an-tranon’i Tsibà dia nanompo an’i Mefibôseta avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanan-janakalahy tanora i Mefiboseta, i Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’i Ziba dia nanompo an’i Mefiboseta avokoa.
malagasy
Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.