2 Samuel 9:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nonina tany Jerosalema i Mefiboseta satria teo amin’ny latabatry ny mpanjaka mandrakariva izy no nihinana. Nalemy moa ny tongony roa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nonina tany Jerosalema i Mifibôseta, fa nihinana teo amin’ny latabatry ny mpanjaka mandrakariva izy; ary nikolepaka ny tongony roa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa na dia nalemy aza ny tongony roa, dia nonina tany Jerosalema i Mefibôseta satria nisakafo isan’andro teo amin’ny latabatry ny mpanjaka izy.
Malagasy Bible 1865
Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nonina tany Jerosalema i Mefiboseta satria teo amin’ny latabatry ny mpanjaka mandrakariva izy no nihinana. Nalemy moa ny tongony roa.
malagasy
Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.