2 Samuel 9:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny taranak’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra? Dia hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny mpanjaka: «Tsy misy olona amin’ny fianakavian’i Saola intsony va, ka hanisy soa azy aho tahaka an’Andriamanitra?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Mbola misy zanaka lahin’i Jônatasy anankiray ao; fa malemy ny tongony roa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanontany indray ny mpanjaka hoe: –Mbola misy olona sisa velona ve amin’ny fianakavian’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra? Ka novalian’i Tsibà hoe: –Mbola misy zanakalahin’i Jônatàna iray izay, nefa malemy tongotra izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny taranak’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra? Dia hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
malagasy