2 Samuel 9:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga teo amin’i Davida i Mefiboseta, zanak’i Jonatana, zanak’i Saoly dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy i Davida: Ry Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga teo amin’i Davida i Mifibôseta zanak’i Jônatasy zanak’i Saola, dia niondrika tamin’ny tany sy niankohoka. Ka hoy i Davida: «Mifibôseta!» Ary hoy ny navaliny: «Inty ny mpanomponao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga teo amin’i Davida i Mefibôseta zanakalahin’i Jônatàna sady zafikelin’i Saoly, dia niankohoka tamin’ny tany ho fanajana azy. Ary hoy i Davida taminy: –Mefibôseta! Ka novaliany hoe: –Inty aho, tompoko.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga teo amin’i Davida i Mefiboseta, zanak’i Jonatana, zanak’i Saoly dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy i Davida: Ry Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
malagasy
Ary nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.