2 Samuel 9:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’i Jonatana rainao ka hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’i Saoly rainao, ary ianao dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Davida taminy: «Aza matahotra, fa te hanisy soa anao aho, noho ny rainao i Jônatasy. Ny tanin’i Saola rainao haveriko aminao avokoa; ary ianao hihinana amin’ny latabatro mandrakariva.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray i Davida taminy: –Aza matahotra fa te hanisy soa anao noho ny amin’i Jônatàna rainao aho, ka hamerina aminao ny tany rehetra izay an’i Saoly raibenao; ary ianao dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’i Jonatana rainao ka hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’i Saoly rainao, ary ianao dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva.
malagasy