2 Thessalonians 2:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo izahay, ry rahalahy malalan’ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany mba hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina ianareo
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izahay, ry havana malalan’ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ianareo nofidin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, sy amin’ny finoana ny marina;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay ny aminareo, ry havana notiavin’ny Tompo. Fa nofidin’Andriamanitra ho toy ny santa-bokatra hatolotra Azy ianareo, ka hahazo famonjena noho ianareo voatokan’ny Fanahy Masina mba ho an’Andriamanitra ary noho ianareo nino ny hafatra marim-pototra.
Malagasy Bible 1865
Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo izahay, ry rahalahy malalan’ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany mba hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina ianareo
malagasy
[Fananarana sy fanaovam-beloma] Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina,