2 Thessalonians 3:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mangataka anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin’ny namana rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry havana, mamarafara anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay: halaviro ny namana kamo, tsy manaraka ny fampianarana efa nampitainay taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mangataka anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy* Tompontsika mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
malagasy
Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.