2 Timothy 4:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitsangana teo anilako anefa ny Tompo ka nampahery ahy mba ho tanteraka tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny ary mba ho ren’ny Jentilisa rehetra izany. Ary izaho dia novonjena teo am-bavan’ny liona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho.
Malagasy Bible 1865
Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitsangana teo anilako anefa ny Tompo ka nampahery ahy mba ho tanteraka tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny ary mba ho ren’ny Jentilisa* rehetra izany. Ary izaho dia novonjena teo am-bavan’ny liona.
malagasy
Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona.