2 Timothy 4:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’izao dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka ny miandry ahy izao dia ny satroboninahi-pandresena natokana ho an’izay manao ny marina. Ny Tompo, ilay mpitsara ara-drariny, dia hanome ahy izany satroboninahi-pandresena izany amin’ny andro fitsarana; ary tsy izaho ihany no homeny izany, fa izay rehetra miandry am-pitiavana ny hisehoany koa.
Malagasy Bible 1865
hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’izao dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.
malagasy