Acts 1:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niverina nankany Jerosalema izy ireo rehefa avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva izay akaikin’i Jerosalema, halaviran-dalana azo aleha amin’ny Sabata.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay izy ireo dia niverina tany Jerosalema, avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niverina nankany Jerosalema ny apôstôly, rehefa niala teo amin’ilay tendrombohitra atao hoe Analanôliva, tendrombohitra akaiky an’i Jerosalema tokony ho iray kilaometatra (halaviran-dalana azo aleha amin’ny sabata).
Malagasy Bible 1865
Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niverina nankany Jerosalema izy ireo rehefa avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva izay akaikin’i Jerosalema, halaviran-dalana azo aleha amin’ny Sabata*.
malagasy
Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).