Acts 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tafiditra ny tanàna izy ireo dia niakatra ho any amin’ny efitra ambony rihana izay nipetrahany; i Petera, i Jaona, i Jakoba, i Andrea, i Filipo, i Tomasy, i Bartolomeo, i Matio, i Jakoba zanak’i Alfeo, i Simona Zelota ary i Jodasy, zanak’i Jakoba no tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo, dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tomà, i Bartelemy sy i Matio, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka nony tonga tao an-tanàna izy ireo, dia niakatra tao amin’ny efitrano ambony rihana fitoerany: dia i Petera, i Jôhany, i Jakôba, i Andrea, i Filipo, i Tômà, i Bartôlômeo, i Matio, i Jakôba zanakalahin’i Halfeo, i Simôna Zelôta ary i Jodasy zanakalahin’i Jakôba.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak 'i Jakoba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tafiditra ny tanàna izy ireo dia niakatra ho any amin’ny efitra ambony rihana izay nipetrahany; i Petera, i Jaona, i Jakoba, i Andrea, i Filipo, i Tomasy, i Bartolomeo, i Matio, i Jakoba zanak’i Alfeo, i Simona Zelota ary i Jodasy, zanak’i Jakoba no tao.
malagasy
Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak'i Jakoba. [ Na: rahalahin']