Acts 1:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niseho tamin’ireo tamin’ny famantarana maro koa Izy fa velona, taorianan’ny nijaliany; eny, niseho tamin’izy ireo nandritra ny efapolo andro Izy ary nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa Izy, sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy, ary nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Porofo maro no nentin’i Jesoa nanambara tena fa velona Izy taorian’ny nahafatesany: niseho tamin’ny apôstôly Izy nandritra ny efapolo andro sady nidinidinika taminy momba ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niseho tamin’ireo tamin’ny famantarana maro koa Izy fa velona, taorianan’ny nijaliany; eny, niseho tamin’izy ireo nandritra ny efapolo andro Izy ary nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
malagasy
sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.