Acts 1:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha niara-nisakafo tamin’izy ireo Jesosy dia namepetra azy tsy hiala tao Jerosalema fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy, dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema, fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray, araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary indray andro i Jesoa dia niara-nisakafo taminy ka nanafatrafatra azy hoe: –Aza miala eto Jerosalema, fa andraso ilay fanomezana nampanantenain’ny Ray, izay efa renareo tamiko.
Malagasy Bible 1865
Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha niara-nisakafo tamin’izy ireo Jesosy dia namepetra azy tsy hiala tao Jerosalema fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
malagasy
Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [Na: niara-nihinana]