Acts 10:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy taminy: Ianareo dia mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hifandray na hiantrano amin’ny olona hafa firenena; nefa izaho dia efa nampahafantarin’Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy tamin’izy ireo: «Fantatrareo fa fady amin’ny Jody ny mikambana amin’ny Jentily na ny miantrano ao aminy; nefa nasehon’Andriamanitra ahy, fa tsy misy olona azoko atao hoe maloto na tsy madio.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy izy tamin’ireo: –Fantatrareo fa ny Jiosy dia raran’ny fivavahany tsy hifanerasera amin’ny hafa firenena na hiditra ao an-tranony. Nefa nasehon’Andriamanitra tamiko fa tsy misy olona azoko atao hoe maloto na tsy mendrika hifaneraserana.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy taminy: Ianareo dia mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hifandray na hiantrano amin’ny olona hafa firenena; nefa izaho dia efa nampahafantarin’Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
malagasy