Acts 10:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ary nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nandrotsahan’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn’ny devoly, satria nombàn’Andriamanitra Izy.
Malagasy Bible 1865
Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ary nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly*, satria nomba Azy Andriamanitra.
malagasy
Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.