Acts 10:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nibanjina azy izy dia raiki-tahotra ka niteny hoe: Ahoana, Tompoko? Dia niteny taminy indray ilay anjely hoe: Ny vavaka ataonao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nijery azy izy, ka raiki-tahotra, sy nanao hoe: «Ahoana, Tompoko?» Ary hoy ny Anjely taminy: «Tafakatra eo anatrehan’Andriamanitra ho fahatsiarovana anao ny vavakao sy ny fiantranao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nibanjina an’ilay anjely i Kôrnely ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Ahoana izay, tompoko? Dia hoy ny anjely taminy: –Tafakatra any amin’Andriamanitra ny vavaka sy ny fiantrana vitanao, ka ahatsiarovany anao.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra.