Acts 10:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka efa teo akaiky ny tanàna, dia niakatra teo ambonin’ny tampon-trano i Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ampitso, raha mbola teny an-dalana ireo iraka ireo, ka efa mby akaikin’ny tanàna, i Piera kosa niakatra teo ambonin’ny tampon-trano mba hivavaka, tokony ho tamin’ny ora fahenina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola teny an-dalana ireto iraka ny ampitson’iny ka efa nanakaiky an’i Jôpa, dia niakatra tao an-tampon-trano kosa i Petera, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, mba hivavaka.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka efa teo akaiky ny tanàna, dia niakatra teo ambonin’ny tampon-trano* i Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina.
malagasy
Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.