Acts 11:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay niely noho ny fanenjehana an’i Stefana dia nandeha hatrany Foinika sy Sipra ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’olona izy, afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany, izay naelin’ny fanenjehana noho ny amin’i Etienina dia tonga hatrany Fenisia sy Sipra ary Antiôkia, nefa tsy nitory teny afa-tsy tamin’ny Jody ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niely patrana ny mpino noho ilay fanenjehana nitranga taorian’ny namonoana an’i Stefàna. Ny sasany dia tonga hatrany Fenisia sy hatrany Sipra ary hatrany Antiôkia, nefa tsy nitory ny tenin’Andriamanitra afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay niely noho ny fanenjehana an’i Stefana dia nandeha hatrany Foinika sy Sipra ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’olona izy, afa-tsy tamin’ny Jiosy* ihany.
malagasy
[Ny nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.