Acts 11:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahita azy izy dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ny fiangonana nandritra ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany niantsoana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka herintaona maninjitra no nanaovany fivoriana tao amin’io Eglizy io, ary vahoaka betsaka no nampianariny. Tao Antiôkia koa no voalohany nandraisan’ny mpianatra ny anarana hoe: Kristianina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitany izy, dia nentiny nankany Antiôkia. Nandany herintaona ngarangidina tao amin’io Fiangonana io izy roa lahy ary nampianatra vahoaka maro. Tao Antiôkia no voalohany niantsoana ny mpianatra hoe kristianina.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahita azy izy dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ny fiangonana nandritra ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany niantsoana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana.
malagasy