Acts 11:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitsangana ny iray tamin’ireny, izay antsoina hoe Agabo; voatsindrin’ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be manerana ny tany rehetra. Tonga tokoa io tamin’ny andron’i Klaodio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary voatsindrin’ny Fanahy Masina ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Agabosy, ka nitsangana nilaza fa hisy mosary lehibe amin’izao tontolo izao. Dia tonga tokoa izany tamin’ny andron’ny Klaody.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isan’ireo i Hagabo izay notsilovin’ny Fanahy Masina ka nijoro nilaza fa hisy mosary be eran’ny tany tontolo. (Dia nitranga tokoa izany tamin’ny andron’i Klaody amperôra).
Malagasy Bible 1865
Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitsangana ny iray tamin’ireny, izay antsoina hoe Agabo; voatsindrin’ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be manerana ny tany rehetra. Tonga tokoa io tamin’ny andron’i Klaodio.
malagasy
Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.