Acts 11:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nivavaka tany an-tanànan’i Jopa aho, ary azon-tsindrimandry, dia nahita fahitana, koa indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra, toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra nankeo amiko;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nivavaka tany an-tanàna Jôpe aho, dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra, tonga tao amiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Tao an-tanànan’i Jôpa aho, ary sendra nivavaka indrindra no nisehoam-pahitana mahavariana. Nisy zavatra nidina avy any an-danitra: toa lamba lehibe voatana amin’ny zorony efatra, nalatsaka avy any ary tonga teo akaikiko.
Malagasy Bible 1865
Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nivavaka tany an-tanànan’i Jopa aho, ary azon-tsindrimandry, dia nahita fahitana, koa indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra, toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra nankeo amiko;
malagasy