Acts 12:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy dia tonga teo amin’ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba handehanany; nony tafavoaka izy ireo dia nandroso tamin’ny lalana iray; ary niaraka tamin’izay dia nandao azy ilay anjely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga tao amin’ny vavahady vy, fidirana ao an-tanàna; nivoha ho azy io, ka tafavoaka izy ireo, dia nizotra tamin’ny lalana iray, vao nilaozan’ilay Anjely tampoka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin’ny vavahady vy mahazo ny lalana ho any an-tanàna. Nivoha nidanadana ho azy ilay vavahady ka dia tafavoaka soa aman-tsara izy ireo. Nizotra tamin’izay lalana anankiray izay izy ireo, ary dia nilaozan’ny anjely tampoka i Petera.
Malagasy Bible 1865
Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy ilay anjely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy dia tonga teo amin’ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba handehanany; nony tafavoaka izy ireo dia nandroso tamin’ny lalana iray; ary niaraka tamin’izay dia nandao azy ilay anjely.
malagasy
Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy i]ay anjely.