Acts 12:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izy nibaiko tanana azy ireo mba hangina, dia nitantara taminy izay namoahan’ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina sady hoy izy: Ambarao amin’i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala teo izy ka lasa nankany amin’ny toerana hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nohofain’i Piera tanana izy ireo mba hangina, dia nitantarany ny namoahan’ny Tompo azy tao an-tranomaizina, sy nilaza hoe: «Ambarao amin’i Jakôba sy amin’ireo havana iray finoana izany.» Raha efa izany dia lasa hankany amin’ny toeran-kafa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanofahofa tanana hampangina azy ireo kosa i Petera, ka nitantara ny namoahan’ny Tompo azy tao am-ponja. Ary hoy koa izy hoe: –Ambarao amin’i Jakôba sy amin’ny havana iray finoana izany! Dia lasa i Petera nankany an-toeran-kafa.
Malagasy Bible 1865
Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izy nibaiko tanana azy ireo mba hangina, dia nitantara taminy izay namoahan’ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina sady hoy izy: Ambarao amin’i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala teo izy ka lasa nankany amin’ny toerana hafa.
malagasy