Acts 12:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nitady azy fatratra i Heroda nefa tsy nahita dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria izy dia nijanona tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nampikarohin’i Herôda izy, ka tsy hitany, dia ny mpiambina no nadininy sy nasainy novonoina. Taorian’izany dia niala tany Jodea izy ka nankany Sezarea, ary nitoetra tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampikarohin’i Herôda izy, nefa tsy hita. Dia nalaina am-bava ireto mpiambina ary nasainy novonoina. Avy eo dia niala tao Jodea i Herôda ka nankany Kesaria ary nipetrapetraka tany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nitady azy fatratra i Heroda nefa tsy nahita dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary nidina niala tany Jodia* hankany Kaisaria izy dia nijanona tany.
malagasy
Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.