Acts 12:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tezitra mafy tamin’ny Tiriana sy ny Sidoniana i Heroda; nefa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, koa rehefa nahazo an’i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho sakaizany izy ireo, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny dia nivelona tamin’ny tanin’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tezitra tamin’ny mponina any Tira sy Sidona i Herôda fahizany. Koa nony efa nahazo an’i Blasta mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho sakaizany ry zareo ireo, dia niara-nanatona azy mba hangataka fihavanana taminy, satria ny tanin’i Herôda no niveloman’ny fireneny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra izaitsizy tamin’ny mponina tany Tiro sy Sidôna i Herôda. Ry zareo kosa anefa niray saina nanatona ny mpanjaka. Rehefa nahazo an’i Blasta mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho namana izy ireo, dia nangataka hanao raharaham-pihavanana tamin’i Herôda, satria ny tanin’ny mpanjaka no mamatsy ny faritr’i Tiro sy i Sidôna.
Malagasy Bible 1865
Ary Heroda tezitra loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin'ny tanin'i Heroda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tezitra mafy tamin’ny Tiriana sy ny Sidoniana i Heroda; nefa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, koa rehefa nahazo an’i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho sakaizany izy ireo, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny dia nivelona tamin’ny tanin’ny mpanjaka.
malagasy
Ary Heroda tezitra loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin'ny tanin'i Heroda. [ Gr. ny mpanjaka]