Acts 12:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany dia niroso hisambotra an’i Petera koa izy. Efa antomotra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’izay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitany fa nankasitrahin’ny Jody izany, dia nasainy nosamborina koa i Piera. Andron’ny Azima tamin’izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nony hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera. (Andro fankalazana ny Azima indrindra tamin’izay.)
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. (Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy* izany dia niroso hisambotra an’i Petera koa izy. Efa antomotra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’izay.
malagasy
Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. (Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.)