Acts 12:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nosamboriny izy dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony hambenan’antoko-miaramila efatra izay nisy miaramila efatra avy; nikasa hamoaka azy ho eo amin’ny vahoaka mantsy izy rehefa afaka ny Paska.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka nasainy nambenan’andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy; fa rehefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa voasambotr’i Herôda i Petera, dia nataony am-ponja; andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy, no nasain’ity mpanjaka niandraikitra ny fiambenana azy. Nokasain’i Herôda hotsaraina imasom-bahoaka manko izy aorian’ny Paska.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nosamboriny izy dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony hambenan’antoko-miaramila efatra izay nisy miaramila efatra avy; nikasa hamoaka azy ho eo amin’ny vahoaka mantsy izy rehefa afaka ny Paska*.
malagasy
Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. [ Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy]