Acts 12:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, nisy anjelin’ny Tompo tonga teo sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary nanohina ny tehezan’i Petera ilay anjely, dia namoha azy ka niteny hoe: Mitsangàna haingana. Dia niala tamin’ny tanany ny gadra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo sy fahazavana namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina; nanohina ny andilan’i Piera ilay Anjely, namoha azy nanao hoe: «Mitsangàna faingana,» dia niala tamin’ny tanany ny rojo vy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia indro nisy anjelin ’ny Tompo tonga teo, ary namirapiratry ny hazavana tao amin’ilay efitry ny fonja. Notohinin’ilay anjely teo amin’ny tehezany i Petera, dia nofohaziny ka nataony hoe: –Mitsangàna faingana! Nilatsaka ho azy ny gadra tamin’ny tanan’i Petera.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, nisy anjelin’ny Tompo tonga teo sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary nanohina ny tehezan’i Petera ilay anjely, dia namoha azy ka niteny hoe: Mitsangàna haingana. Dia niala tamin’ny tanany ny gadra.
malagasy