Acts 13:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo amin’ny fiangonana tany Antiokia dia nisy mpaminany sy mpampianatra: I Barnabasy, i Simeona izay antsoina koa hoe Nigera, i Losio kireniana, i Menahema izay niara-notezaina tamin’i Heroda mpanapaka ary i Saoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe Mainty, i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy mpaminany sy mpampianatra maro tao amin’ny Fiangonana tany Antiôkia: dia i Barnabà, i Simehôna (izay atao hoe Imainty), i Losio avy any Sirena, i Manahema (izay niolo-nono sy niara-nilalao tamin’i Herôda mpanjaka) ary i Saoly.
Malagasy Bible 1865
Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo amin’ny fiangonana tany Antiokia dia nisy mpaminany sy mpampianatra: I Barnabasy, i Simeona izay antsoina koa hoe Nigera, i Losio kireniana, i Menahema izay niara-notezaina tamin’i Heroda mpanapaka ary i Saoly.
malagasy
[Ny nandefasana an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.