Acts 13:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady niteny hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny hafetsena rehetra, Ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lalan’ny Tompo izay mahitsy va Ialahy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sy nanao taminy hoe: «Akay, ry ilay feno fitaka sy hafetsen-dratsy ity, zanaky ny devoly sy fahavalon’ny marina rehetra! Tsy hitsahatra ny hampivily ny lala-mahitsin’ny Tompo va ialahy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nanao hoe: –Ry ilay andevozin’ny devoly ity! Feno fitaka sy faharatsiana isan-karazany ianao, ary mpanohitra ny marina rehetra nosoritan’Andriamanitra! Mbola te hisompatra foana ny lala-mahitsin’ny Tompo ve ianao?
Malagasy Bible 1865
ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady niteny hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny hafetsena rehetra, Ialahy zanaky ny devoly* sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lalan’ny Tompo izay mahitsy va Ialahy?
malagasy
ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy?