Acts 13:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vita ny famakiana ny Lalàna sy ny Mpaminany dia nampilaza taminy ireo lehiben’ny sinagoga hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ny olona dia ataovy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony vita ny famakiana ny bokin’ny Lalàna sy ny mpaminany, dia nilaza tamin’izy ireo ny lehiben’ny sinagoga nanao hoe: «Ry rahalahy, ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin’ny olona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony vita ny famakiana ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàna sy ny bokin’ny mpaminany, dia nanirahan’ireo lohandohan’ny sinagôga olona izy roa lahy hilaza aminy hoe: –Ry havana, azonareo atao izao ny miteny raha manana teny fampaherezana holazaina amin’ny vahoaka mpiangona ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa vita ny famakiana ny Lalàna sy ny Mpaminany dia nampilaza taminy ireo lehiben’ny sinagoga hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ny olona dia ataovy.
malagasy
Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy.