Acts 13:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo ka tamin’izany no nitenenan’ny Fanahy Masina hoe: Atokàny ho Ahy i Barnabasy sy i Saoly mba hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: «Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sady nifady hanina ny iray Fiangonana, dia hoy ny Fanahy Masina: –Atokàny ho Ahy i Barnabà mbamin’i Saoly hanao ny asa izay niantsoako azy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo ka tamin’izany no nitenenan’ny Fanahy Masina hoe: Atokàny ho Ahy i Barnabasy sy i Saoly mba hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
malagasy
Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.