Acts 13:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny amin’ny nananganany Azy tamin’ny maty ka tsy hiverenany ho amin’ny fahalovana intsony, dia izao no voalazany: «Homeko anareo ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida» (Isa 55.3).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary voalazany fa natsangany ho velona Izy, ka tsy hiverina amin’ny lo intsony, tamin’ny teny hoe: Homeko anareo ny fanambinana nanomezan-toky an’i Davida;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Nambaran’Andriamanitra koa fa natsangany ho velona i Jesoa ka tsy hiverina amin’ny fahalòvana intsony, araka ny teny hoe: «Homeko anareo ny fanambinana masina sy azo antoka efa nampanantenaiko an’i Davida!»
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida (Isa. 55. 3).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny amin’ny nananganany Azy tamin’ny maty ka tsy hiverenany ho amin’ny fahalovana intsony, dia izao no voalazany: «Homeko anareo ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida» (Isa 55.3).
malagasy
Ary ny amin'ny nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida (Isa. 55. 3).