Acts 13:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nirava ny fivoriana dia maro tamin’ny Jiosy sy ny prozelita izay nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabasy; ary izy ireo dia niresaka taminy ka nampirisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nirava ny fiangonana, dia betsaka ny Jody sy ny prôselita nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabe, ary izy roa lahy kosa niresaka tamin’izy ireo sy namporisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny firavàn’ny mpiangona, dia maro ny Jiosy mbamin’ny hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabà; ary izy roa lahy kosa niteny taminy ka nampirisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nirava ny fivoriana dia maro tamin’ny Jiosy* sy ny prozelita* izay nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabasy; ary izy ireo dia niresaka taminy ka nampirisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
malagasy
Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.