Acts 13:46 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niteny tamin’ny fahasahiana i Paoly sy i Barnabasy hoe: Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra mialoha; nefa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy mendrika hahazo fiainana mandrakizay dia indro, mitodika any amin’ny Jentilisa izahay;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe: «Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra; nefa noho ianareo mandà azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany amin’ny Jentily izahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe: –Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin’ny hafa firenena izahay.
Malagasy Bible 1865
Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niteny tamin’ny fahasahiana i Paoly sy i Barnabasy hoe: Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra mialoha; nefa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy mendrika hahazo fiainana mandrakizay dia indro, mitodika any amin’ny Jentilisa* izahay;
malagasy
Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay;