Acts 13:50 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nandrisika ny vehivavy manankaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna ny Jiosy, dia nahatonga fanenjehana an’i Paoly sy i Barnabasy ireny ary nandroaka azy niala tamin’ny taniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona tao an-tanàna, ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nomen’ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an’Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanàna; dia nahatonga fanenjehana an’i Paoly sy i Barnabà ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin’ny faritany.
Malagasy Bible 1865
Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nandrisika ny vehivavy manankaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna ny Jiosy, dia nahatonga fanenjehana an’i Paoly sy i Barnabasy ireny ary nandroaka azy niala tamin’ny taniny.
malagasy
Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.