Acts 14:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tany Ikonioma i Paoly sy i Barnabasy dia niara-niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jiosy izy ireo ka nitoriteny tao, ary olona betsaka no nino, na Jiosy na Grika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tany Ikonioma izy roa lahy, dia niara-niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jody ka nitory teny, ary betsaka no nino, na Jody na Jentily.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao Ikôniôma dia niditra tao amin’ny sinagôga fivavahan’ny Jiosy ihany koa i Paoly sy i Barnabà; ary fatratra ny teny nataon’izy roa lahy, ka marobe ny Jiosy mbamin’ny hafa firenena no tonga mpino.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tany Ikonioma i Paoly sy i Barnabasy dia niara-niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jiosy* izy ireo ka nitoriteny tao, ary olona betsaka no nino, na Jiosy na Grika.
malagasy
[Ny nitorian'i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa. [ Gr. Grika]