Acts 14:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ny anaran’i Barnabasy dia nataony hoe Jopitera, ary i Paoly kosa dia Merkiora, satria izy no mpitondra teny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihoatra noho izany, ny mpisoron’i Jopitera takaikin’ny tanàna mbamin’ny vahoaka aza, dia efa nitondra ombalahy sy fehiloha teo am-bavahady mihitsy, ka nikasa hanao sorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Barnabà moa nataon’ny vahoaka hoe Jopitera; ary i Paoly kosa nataony hoe Hermesy satria izy no mpandaha-teny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ny anaran’i Barnabasy dia nataony hoe Jopitera, ary i Paoly kosa dia Merkiora, satria izy no mpitondra teny.
malagasy
Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra. [ Gr. Zeosy] [ Gr. Hermesy]