Acts 14:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niaraka tamin’ny vahoaka teo koa ilay mpisoron’i Jopitera teo anoloan’ny tanàna ka nitondra ombilahy voaravaka voninkazo ho eo am-bavahady izy ary nikasa hanao fanatitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nony nandre izany ny Apôstôly Barnabe sy Paoly, dia nandriatra ny akanjony, ka nandroso teo afovoan’ny vahoaka niantso mafy hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ilay mpisoron’i Jopitera izay nanana ny tempoliny teo am-bavahadin’ny tanàna dia efa nitondra ombilahy voaravaka fehiloha voninkazo teo am-bavahady satria nikasa hanao sorona tamin’i Barnabà sy i Paoly izy mbamin’ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niaraka tamin’ny vahoaka teo koa ilay mpisoron’i Jopitera teo anoloan’ny tanàna ka nitondra ombilahy voaravaka voninkazo ho eo am-bavahady izy ary nikasa hanao fanatitra.
malagasy
Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.