Acts 14:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa Izy tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona tamin’ny fanaovany soa: Mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo Izy sady manome taon-jina ka mahavoky anareo amin’ny hanina ary mahafeno fifaliana ny fonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa na dia izany aza no tenin’izy roa lahy, dia saiky tsy nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
kanefa tsy navelan’Andriamanitra tsy hanana vavolombelona manambara Azy ny tenany amin’ny fanasoavana anareo: fa Izy no mandatsaka ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo hampahavokatra ny tany ara-potoana ary manome hanina anareo hameno fifaliana ny fonareo.
Malagasy Bible 1865
Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa Izy tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona tamin’ny fanaovany soa: Mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo Izy sady manome taon-jina ka mahavoky anareo amin’ny hanina ary mahafeno fifaliana ny fonareo.
malagasy